T
fjkm logo white-bg black-bg

Ny tantaran’ny nanorenana ny FJKM SOAMIAVAKA FILADELFIA

Fiangonana L.M.S ny FJKM SOAMIAVAKA FILADELFIA tany ampiandohany.

Ny disadisa nisy teny amin’ny Fiangonana Ambatomitsangana no niteraka ny fisarahana teo ireo mpiara-mivavaka teny an-toerana.

Nisy ireo nijanona teny Ambatomitsangana, ary nisy ireo nidina teny Ankazomasina, ka nanangana Fiangonana teny, izay nifidy ny Fiangonana tsy miankina amin’ny Misiona.

Ny taona 1930, dia nisy olona maromaro nanana tsirin-kevitra ny hanorina Fiangonana atao miankina amin’ny Misiona, ka hiala amin’ny Fiangonana Ankazomasina.

Toy izao ny tantaran’ireo olona nanangana ny Fiangonana eto SOAMIAVAKA FILADELFIA.

Nangonina avy tamin’ny tantara notantarain-dRABEZANAHARY I, izay noraisin-dRAZAFINATOANDRO Elisabeth (Neny Liza) zanany antsoratra ny Alahady 28 Desambra 1958.

Sy ireo resaka nifanaovana tamin’ireo taranaka sy mahalala ny ampahan-tantaran’ny Fiangonana.



Ny momba ny tany misy ny trano Fiangonana sy ny trano vadim-piangonana :

Tany fanariana fako ity tany misy ny Fiangonana ity. Ka somary malemy.

Roa (2) no tompon’ny tany :

  • Atoa RAZAFIMBOAY, nipetraka teny avaratr’Antanimora no tompon’ny tany misy ny trano Fiangonana ankehitriny. Tany nitondra ny anarana hoe : SOAMIAVAKA FILADELFIA I. Rtoa RAMORAVELO sy Jacqueline ary RAZAFININDRIANA no nahitana ny tany sy ny tompon’ny tany, noho izy ireo nipetraka teo ampitan’ny tany.

  • Rtoa RAVANONA, anabavin-dRAZAFIMBOAY no tompon’ny tany eo ambany avaratra misy ny trano vadim-piangonana ankehitriny. Tany nitondra ny anarana hoe : SOAMIAVAKA FILADELFIA IV.

Tsy novidina niaraka ireo tany roa (2) ireo. Fa ny tany I no novidiana voalohany, nanorenana ny trano Fiangonana. Ny tany IV kosa novidiana taty aoriana, rehefa vita ela ny trano Fiangonana.


Toy izao no nanorenana ny trano Fiangonana :

Ny fomba nividianana ny tany, ny vato, ny biriky, ny simà dia nifanao teny ierana fa ankinina amin’Andriamanitra ny asa fa tsy maintsy vita. Atao miankina amin’ny Misiona ny Fiangonana rehefa vita.

Roso ny dia nanantona an-dRAZAFIMBOAY tompon’ny tany I. nanaiky ny hivarotra ny tany izy. Fa nanontany kosa ny fomba handoavan’ireo mpividy ny vidin’ny tany. Nanontaniany ny asan’izy ireo. Nanontany koa izy raha misy antoka azo apetraka. Nalefany nody aloha ireto mikasa hividy ny tany ieritreritra. Ka rehefa misy fanampahan-kevitra dia tongava miverina.

Nody ireto nikasa hividy ny tany. Nivory sy nikaondoha isan-kariva nandritra ny herinandro tao antranon-dRAKOTOMANGA rehefa avy nivarotra. Ny ankamaroan’izy ireo dia mpivarotra tavoahangy, fa olom-bitsy no manao asa ivelany.

RAKOTOMANGA mba manana voatiry fa mampanofa soavaly natao fitanterana olona sy entana. Ka ny vola azony dia narotsany ho an’ny fanaovana ny trano Fiangonana avokoa.


Nisy ary ny nifaneken’i Dadanibozy, RAKOTOVAO ary RAKOTOMANGA fa ny tranon’izy telo (3) mianaka ireo no atolony atao antoky ny volan’olona rehetra lany amin’io Fiangonana io.

Niverina tany amin’ny RAZAFIMBOAY izy ireo. Ka toy izao no fitantarany azy :

  • « Nolazainay fa mpivarotra tavoahangy ny asanay fa vitsy ny manao masô sy mikarama isam-bolana ». « Manana trano anefa izahay telo (3) mianaka ireto, hoy Dadanibozy, atolotray ho antokin’ny volan’olona hamitanay ny Fiangonana. Izay ataonay miankina amin’ny Misiona fa tsy ataonay tsy miankina izany ».

  • « Ary ny vola azonay rehetra ialan’ny sakafo, na inona asanay na inona dia arotsakay ao avokoa. Sady angataka eny an-dalambe sy amin’ireo trano lehibe koa izahay tompoko »


Tena nataon’izy ireo tokoa ny nangataka n’aiza n’aiza. Ny vehivavy nangataka amin’ny zoron-damba ary ny lehilahy amin’ny satroka, sady miteny hoe hanaovana Fiangonana Protestanta L.M.S.

Isan-kariva dia mifanao fotoana ao antranon-dRAKOTOMANGA ny rehetra. Ka rehefa avy manao fotoam-pivavahana dia samy mandrotsaka ny vola azony. Kaontina ary RAMANGALAHY no mpitantsoratra, RAJERISON no mpitahiry vola.

Rehefa tonga ny sabotsy dia aterina any amin’ny tompon’ny tany ny vola rehetra voahangona. Ka dia toy izany hatrany no natao.

  • « Ela ny ela, voaloha ny vidin’ny tany. Nomen’Andriamanitra olona hanampy anay indray izahay, dia i Mamasoa na RAHELIARISOA sy ny vadiny. I Mamasoa moa dia mpikarakara ny Croix Bleu teto Madagasikara. Ary mpividy tavoahangy maromaro matetika eo aminay, asiany ranomboankazo hosotroin’ireo mpikambana ». Nanimpy resaka taminy RAZANANY Cécile ary dia faly be mihintsy izy mivady ka nifampitaona hiresaka.

  • « Samy nandeha nangataka tahaka anay koa izy mivady. Ka izay azony dia ateriny aty aminay daholo ».

  • « Telo (3) volana taty aoriana. Nanontany i Mamasoa raha afaka manao teatra an-tsehatra izahay, fa manana tantara nadikany tamin’ilay « Cendrillon » izy, izay nosoratany, nefa mbola tsy niseho antsehatra mihintsy. Ka izahay no hisantatra azy, ary hijanona ho anay tanteraka ny tantara, tsy azo omena olon-kafa, fa atao hitadiavanay vola hanasoavana ny Fiangonana foana ». Mamasoa ihany no niantoka ny vola, ny kojakoja rehetra nilaina tamin’ny piesy, hatramin’ny harmonia, dia azy sy i Dadasoa. « IKALALAVELONA » no anaran’ilay tantara.


RAKOTO-BEBESO (RAKOTONANDRASANA) teny Ambohimiandra, izay mpitendry harmonia sy mpampianatra hira, no nampianatra sy nitendry ny harmonia na taiza na taiza no nanaovana fampisehoana. Toamasina, Fianarantsoa, Mahajanga, Tuléar, Antananarivo, Maintirano, Antsirabe, Arivonimamo, Ambatolampy, Analavory, Soanierana Ivongo, Brickaville, Tsiroanomandidy, Fenoarivobe, Ambositra, sy ny hafa koa tsy voatanisa, …

Ireto no tena mpilalao ny tantara : Mamasoa mivady, RAKOTO-BEBESO sy ny saofera ary olona mpanentana avy tao amin’ny Croix Bleu foibe, ary izahay 8 mianaka. Ny fiara mitondra dia 404 baché. Ka RAKOTOMANGA sy i Mamasoa no miantoka ny lasantsy lany rehetra. Any amin’ny toerana izay aleha dia sady mangataka no manao fety. Seho in-7, na in-5 farany kely no atao. Ka roa (2) volana, na tapa-bolana no fohy indrindra eo amin’ny toerana iray.

1931 :

Vao vita ny vidin’ny tany, dia novidina ny vato sy ny biriky sy ny simà. Natao ny trano Fiangonana nanomboka ny 1931. Tsy nisy nokaramaina ireo mpanao trano rehetra, fa izy rehetra ihany no nanao azy. Ka nifandamina, ny sasany manao ny trano, ny sasany mangataka sy mivarotra.

1932 :

Nandeha ny andro sy ny volana, ny taona, voavidy koa ny tafo tsihy, ary azo nivavahana ny trano ny 1932, sady notokanan’ny Misionera Carpenter. Ny trano moa dia nisoratra tamin-dRAINIBOZY, RAKOTOVAO, RAKOTOMANGA satria ny tranony no natao antoka. Tsy nijanona ny fitadiavam-bola satria ny tafo mbola tsy vita. Marihina fa tato ambany rihana ny trano fiangonana naorina tamin’izany.


Sombiny tamin’ireo nandraisana antsoratra ny tantara


Attention
Bug Error
Nous faisons tout notre possible pour régler le problème au plus vite. Merci de votre patience
spin gif