T
fjkm logo white-bg black-bg

Teny Fanolorana

« Fa ny vokatry ny Fanahy kosa dia FITIAVANA » Gal 5 :22


Fanehoam-pitiavana amin’Andriamanitra avy amintsika nofidiany hanara-dia an’i Kristy ny fanatanterahana ny baiko azo ny amin’ny « hitoriana ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’ny olombelona rehetra » Marka 16 : 15.


Fijoroana ho vavolombelona ny amin’ny fanatanteraka izany hafatra izany ny nataon’ny FJKM SOAMIAVAKA FILADELFIA. Nanomboka tamin’ireo olona nofidian’Andriamanitra nanorina ity trano Fiangonana ity, 90 taona lasa izay, ka hatramintsika mpiara-mivavaka ankehitriny izao manitatra ny trano Fiangonana ankehitriny.


Fifaliana ho an’ny Komity faha-90 taonan’ny Fiangonana, nomena ny anarana hoe « FF90 – Fiombonana – Filadelfia – 90 taona » ny manolotra ity boky mirakitra ny tantaran’ny FJKM Soamiavaka Filadelfia ity, ho rakitra ho an’ny taranaka, amin’izao fankalazana an’Andriamanitra noho ny faha-90 taonan’ny Fitandremana izao.

Ny antony sy ireo fomba nanorenana ny trano fiangonana no tena hita ato anatin’ity boky kely ity. Ato ihany koa ny sombin’ireo tantara niainan’ny Fiangonana tao anatin’ny 90 taona lasa.

Ny tantaran’ny fiangonana dia mitohy, mandrampihavin’i Jesoa Kristy eny amin’ny rahon’ny lanitra.

Isika taranaka ankehitriny sy ireo taranaka ho avy dia manana baiko ny amin’ny tokony hanohizana ny fitoriana ny Filazantsara izay mbola ho arafitra ho tantara ihany koa any aoriana any.

Andeha isika tsy hikely soroka amin’ny fanaovana ny ASA NIANTSOAN’NY TOMPO ARY NANIRAHANY ANTSIKA.

« Koa mandehana ianao, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, » Matio 28 : 19a

Ny filohan’ny FF90

RAVELOARIJAONA Vola




TAKELAKA

Ny tantaran’ny nanorenana ny FJKM SOAMIAVAKA FILADELFIA

Sombiny tamin’ireo nandraisana antsoratra ny tantara

Trano fiangonana tamin’ny nanodidina ny 1980

Ireo Mpitandrina nifandimby nitondra ny Fiangonana

Ireo Sampana velona eto amin'ny Fiangonana

Attention
Bug Error
Nous faisons tout notre possible pour régler le problème au plus vite. Merci de votre patience
spin gif