Sombiny tamin’ireo nandraisana antsoratra ny tantara
1933 :
Nahazo ny pasitera voalohany ny Fiangonana. RAKOTOSAONA no anarany. Natao batisa ireo mbola tsy vita rehetra na lehibe na kely.
1935 :
Tsy nanaiky ny Misionera fa tokony hisy fikambanana mijoro ara-dalana amin’izay eto amin’ny Fiangonana.
Ny Dorkasy no nijoro voalohany. Angamba toa volana Jona 1935. Rtoa RAZANANY Cécile no mpitarika azy
Ny tanora ny Oktobra 1935. Atoa RAMANGALAHY sy RAKOTOBE no mpitarika.
Ny Sekoly Alahady (na olon-dehibe koa aza nanao) ny Desambra 1935. Mamasoa no mpampianatra ary RAMAMONJISOA no mpitarika.
1936 :
Tsy naharitra ela pastera RAKOTOSAONA satria kely dia kely ny vola nomena azy. Ny vola mantsy dia mbola natao hamitana ny trano Fiangonana. Ka vita taombaovao 1936 dia lasa izy.
Ireo nanangana ny Fiangonana no nifandimby nitarika sy nitoriteny. Rehefa alahady fandraisana kosa dia makeny Ambatoroka mandray ny Fanasan’ny Tompo, satria tsy mbola nanana fitaovana ho amin’izany teto amin’ny Fiangonana.
1937 :
Indray alahady maraina raha nijorojoro teo amin’ny arabe manoloana ny Fiangonana Soamiavaka Filadelfia ry Tita sy ny namany, dia nisy Ingahindriana nandalo nisakelika Baiboly. Notenenin’i Tita izy hoe :
« O ry Ingahindriana o, avia re mba hitondra ny Tenin’Andriamanitra ato amin’ity Fiangonana ity ianao tompoko o ! Ataonay Pastera ato ianao, »
Gaga ilay rangahy satria fantatr’ilay zazalahy fa pastera izy. Nanaiky ilay rangahy mpandalo, ary niditra tato ampiangonana. Nifampiresaka tamin’ny olon-dehibe. Raikitra ary fa hanao Pastera eto izy. Ka tsy hitaky karama fa izay foy no omena azy.
Jolay 1937 tamin’izay. RAKOTOVAO RAMBELO io pastera io, niaraka tamin’ny vadiny RASOAMIHANTA ary i Ketaka zanak’izy ireo vavy.
Niara niezaka tamin’ireo nanangana ny Fiangonana izy, ary tsy nokaontina ny vola nomena azy, fa avy dia arotsaka ao anatin’ilay kitapo lamban’i Pastera. Satria hoy izy « Ny zava-dehibe dia ny famitana ny Tempolin’ny Jehovah ho ara-dalana ».
1939 :
Tsy najanona ny fampisehoana antsehatra an’Ikalalavelona. Feno ny vola namidy tafo ka nesorina ny tsihy ary nosoloina tafo. Ny tato ampiangonana dia mbola nipetraka tamin’ny tsihy ny mpivavaka fa tsy nisy seza. Rehefa makeny Ambatoroka mandray ny Fanasan’ny Tompo, dia mitaona ireo olona izay hita fa nifankatia tamin’ireo nanangana ny trano Fiangonana mba hanampy isa azy ireo aty Soamiavaka. Nahazo fitaovana fampandraisana io taona 1939 io, ka dia tsy nakeny Ambatoroka intsony. Nitohy hatrany ny ezaka ho amin’ny hividianana dabilio.
1943 :
Nanantona teto amin’ny fiangonana RAVELONAHINA sy RAVONINTSOA, izay niteny fa tena mahay milalao teatra ny tanora, ary izy koa manana piesy fanao krismasy, mitondra ny lohateny hoe : « ILAY SASAK’ALINA MAHAGAGA, ALINA ANEFA MAZAVA». Ka RAKOTOSAONA tao Ambanidia indray kosa no nalaina hitendry harmoniasy nampianatra hira. Roa (2) izany zao ny piesy teatraly nomena ho an’ny Fiangonana Soamiavaka madiodio. Ary dia nahazoana vola tokoa izany nanasoavana ny Tempoly.
Tao aorian’ny 1945 :
Tao aorian’ny ady lehibe faharoa 1945, dia tonga nivavaka teto RAZA na i Dadazaka sy RAZAFINDRAZAKA vadiny. Nitondra dabilio tranainy efatra (4), novidiana teny Ambatoroka. Dia ireo no mba nipetrahana tato ampiangonana.
Nanaraka azy ireo ihany koa ry RAVOAVY Paul mivady, RAMISARAY sy RANORO, Dadapaoly sy RAZAFINDRAHANTA, RANDRIANANTOANDRO sy RAZANATOVO, RAOBISON sy RAHELY, RAZANAKOLONA, RAHELY II, RAZAFINDRAMANANA III (Bebe Zaza), RAZAFININDRIANA, RAZAFIMAMONJY sy RAHELY II (Ambanidia), RANDRIANASOLO sy RAZAFINDRAMANANA II. Ireo rehetra ireo, miampy ireo nanorina hatramin'ny voalohany rehetra no indray nanao ezaka hamita ny rihana sy ny dabilio.
1948 :
Nony efa hitan’i Mamasoa fa efa marobe ny tanora dia natsangana ny Vokovoko manga Malagasy ny taona 1948.
1949 :
Nanomboka ny taona 1949, dia natomboka ny fanaovana ny rihana, izany hoe ity trano ambony toerana hivavahana ity izao. Tena nanampy betsaka tamin’izany ny teraky RAINIMASINORO, izay nanana zanaka vavy nanambady sinoa. Nanome simà betsaka izy ireo.
1950 :
Vita ny rihana, notokanana, ary niakatra nivavaka tao nanomboka ny taom-baovao 1950. Niezaka foana nanao vokatra matetika, satria koa moa Dadazaka mivady dia mpamboly legiona be tokoa. Ka eraky ny 3CV ny legioma ataon’ny fiangonana vokatra, ary efa voatokana mihintsy.
1952 :
Voasolo vaovao indray ny tafon’ny fiangonana. Ary niampy ihany koa ireo dabilio.
1956 :
Tonga nivavaka teto amin’ny Fiangonana RAMALANJAONA Edmond na RAMED mianakavy. Ka nanome ny talenta nananany koa izy.
1957 :
Nitokanana ny tsangambato ho fahatsiarovana ireo namana sy havana niara-nanorina ny trano Fiangonana. Tao aorian’io dia niezaka nampidirina jiro sy herinaratra ny Fiangonana. Ka ilay piesy « ATAON’NY OLONA HO IZA MOA NY ZANAK’OLONA ?», nosoratan’i RAMED no nitadiavam-bola. RAMISARAY Désiré no mpitendry sy mpampianatra hira. Ny tanora rehetra no mpanantontosa. Harmonia an’i Rapaoly be sy Ravaosolo no nindramina nanaovana azy.
1958 :
Feno ny vola ahafahana mampiditra ny herinaratra, raha in’efatra (4) natao ny fampisehoana. Natao ny fangatahana kaontera. RASOANAIVO ANDRIANASOLO no nanao ny asa fitarihana ny fil rehetra. Maimaimpoana tsy nisy karama no nanaovany izany.
Vita ny jiro sy ny asa rehetra momba azy. Nirehitra ny jiro nanaovana ny sasak’alina 1958. Ary nomen-dRAMALANJAONA Edmond ho an’ny tanoran’ny fiangonana ihany koa ilay piesy. Najoro ary notokanana ny Diakona sy ny loholona. Ka ireo mpivady dia ny iray (1) loholona, ary ny iray (1) diakona. Mikarakara ny Fandraisana sy manadio trano izy ireo. Ny Dorkasy nivory isaky ny talata. Ka mandrandrana taretra miloko atao tapis, ary amidy hividianana kojakoja ho an’ny Fiangonana.
Tsangambato faha-57 taona DORKASY | DORKASY 2023 |
Sombiny tamin’ireo nandraisana antsoratra ny tantara (P2) |