T
fjkm logo white-bg black-bg

Sombiny tamin’ireo nandraisana antsoratra ny tantara

1967

Natao ny fanakambanana ireo fiangonana protestanta telo (3) nisy teto Madagasikara, izay anisan’ireo ny LMS nisy an’ny SOAMIAVAKA FILADELFIA. Lasa FIANGONAN’I JESOA KRISTY ETO MADAGASIKARA afohezina hoe F.J.K.M. Nanaraka ny fandaminana ny teto amin’ny fiangonana, ka lasa nitondra ny anarana F.J.K.M. SOAMIAVAKA FILADELFIA

Orimbato miaraka amin’ny Mpitandrina RAKOTOARISON Charles mivady

1997

Niezaka nanakambana ny antokom-pihira roa (2) nisy teto amin’ny fitandremana ny mpitandrina RAMANOELINA Eddie Mahandrivelo, raha vao tonga teto izy. Tsy mbola nety anefa izany fanakambanana izany noho ny olana mbola tao anatin’ny antokom-pihira iray. Nitarika korontana teto amin’ny fitandremana izany. Fa niravina ihany anefa.

1998

Narafitry ny foibe FJKM ho isatSynodamparitany ny fitandremana eto Madagasikara. Ka farany amin’ny tapany avaratra ao anatin’ny Synodamparitany Atsimo, na SPAA11, no misy ny F.J.K.M. SOAMIAVAKA FILADELFIA.


Taona 1980 hatramin’ny taona 2000

Ireo fanorenana fotodrafitrasa hafa :

  • Trano vadim-piangonana

    • Naorina ny trano vadim-piangonana.

    • Navaozina ny …….

  • Nohalehibeazina nankaty avaratra ny trano Fiangonana.

  • Nofefena amin’ny tamboho vita amin’ny biriky ny faritry ny fiangonana

  • Nanangana trano fidiovana moderna ny fiangonana

  • Nanangana ny FJKM Soamiavaka Fitiavana Mahalaza – Befandriana avaratra

  • Nanao fanampiana ny fananganana ny FJKM Ambalamahogo Mahajanga

2009

Nikasa ny hanao rihana ny mpivavaka. Rehefa natao anefa ny fandinihana ny tany dia hita fa tsy afaka anampiakarana rihana ny tany ambany, satria malemy. Ka ny azo natao dia ny nampiakatra ny ahavoan’ny trano fiangonana sy nanamboarana ny tafo sy ny tilikambo. Navadika tany amin’ny ilany andrefana ny alitara.

2011

Nihamaro ny mpivavaka teto amin’ny fitandremana, nanomboka niditra indroa ny fanompoam-pivavahana isan’alahady. Tamin’ny Lasinasa 2011, dia nanolotra sosokevitra teo amin’ny mpihevi-draharahan’ny Fiangonana ireo biraon’ny Fiangonana, ny hanitarana ny trano Fiangonana, atao ho tsangambaton’ny faha-80 taonan’ny Fiangonana ny taona 2012.

Lany teo amin’ny Lasinasa 2011 tany Foulpoint, fa hitarina ny trano Fiangonana. Fa hitarina hatraty ambonin’ny trano vadim-piangonana. Atao mameno ny tan’ny Fiangonana manontolo. Nolavin’ny fivondronana Antananarivo Renivohitra ny fangatahana, noho ny tetikasa fanitarana lalana mandalo eo antokotanim-piangonana tonga eny Volosarika, lany tamin’ny 1974. Notapahina teo amin’ny Ankatoka ary fa hitarina manome endrika L ny trano, izany hoe amin’ny endriny ankehitriny. Notapahana koa fa atao tsangambaton’ny faha-90 taonan’ny Fiangonana ny fanitarana ny trano Fiangonana (2022).

2012

Nanomboka ny fitadiavam-bola ho an’ny fanitarana ny trano Fiangonana. Izay notarihin’ny Komitin’ny Fanitarana (KF), mpikambana nofidiana tany anatin’ny SSAA misy eto amin’ny Fiangonana sy solotenan’ny mpandray ny Fanasan’ny Tompo no nandrafitra azy. Nanao fitadiavam-bola isankarazany izy ireo, toy ny : fanangonana vary 1 sotro isaky ny mandrotsaka. Ka amidy amin’ny mpivavaka rehefa alahady – karatra asiana ny fandraisan’anjara isan-karazany – fanomezana avy amin’ny mpivavaka – tetibola tany amin’ny SSAA – sakafom-piraisana – fitsangatsanganana fitadiavam-bola – harona mamangy – rodorodo-panitarana – …

Noeritreretina ny hanao fangatahana fanampiana tany ivelany, toy ny hoe CCPREAS, vato nasondrotry ny tany ato anatin’ny FJKM, fa nandamoaka avokoa ireny rehetra ireny. Ny niafarany dia vola avy tamin’ny mpiara-mivavaka teto anivon’ny Fiangonana madiodio no nananganana ny trano fanitarana.

Maquette ny trano fiangonana vaovao

Hita avy ety amin’ny arabe

Hita avy aty ambadika

2021

Tafatsangana ny trano fanitarana, teo ambony tongotra. Mafy ny asa ary lafo, satria voatery nasiana semelle ny ambany, ary natao dalle ny trano, satria nalemy ny toerana, ka natahorana sao tsy ahazaka ny olona ny trano fanitarana. Nanantona ny taona 2022 hankalazana ny faha-90 taonan’ny Fiangonana. Raha nojerena anefa ny fandrosoan’ny asa sy ny tetibola isataona lanin’ny fanitarana, dia noheverina fa tsy ho vita manontolo ny fanitarana ny taona 2022. Nanolotra sosokevitra ny biraon’ny Fiangonana fa tsy avela handalo fotsiny ny faha-90 taonan’ny Fiangonana. Fa hankalazaina ary hitadiavam-bola hanohizana ny fanitarana. Tsy hamoaham-bola anefa fa hitadiavam-bola. Ka hatsangana ny komitin’ny faha-90 taona hitady vola ho an’ny fanitarana.

2022

Natsangana teto amin’ny Fiangonana ny Komitin’ny fankalazana an’Andriamanitra noho ny faha-90 taonan’ny Fiangonana. Ka lany teo amin’ny ankatoky ny Fandraisana fa hitady vola hamitana ny tafo ny andraikitra omena azy ireo. Nasosoka ihany anefa ny hevitra ny amin’ny mba hamitana ihany koa ny varavarana sy ny varavarankely mandritra ny taom-piasan’izy ireo (may 2022 – may 2023). Miara-miasa akaiky amin’ireo Komitin’ny Fanitarana izy ireo amin’izany. Satria ny KF no manao ny asa, noho izy ireo teknisiana. Ary ny FF90 manentana sy mitady vola hanaovana ny asa.

Asa iombonana natao ny 16 jolay 2022 – nanadio ny trano fanitarana

Ny Oktobra 2022, dia notafoina tsiafotsy ny fanitarana mba ahafahana miara-mivavaka, indrindra hiderana an’Andriamanitra ny amin’ny fetin’ny taranaka ny alahady 2 Oktobra 2022. Manantona ny fotoanan’ny orana. Avy ny orana, ary nanangona rano ny tao anaty fiangonana fanitarana. Niezaka ny rehetra ho amin’ny fanangonana vola hividianana ny tafo. Akoatra ny harona mamangy sy ny rodorodom-panitarana, dia nanao hetsika fitadiavam-bola hafa izy ireo : sakafom-piombonana – alahadim-pankalazana – tonona isaky ny alahady voalohan’ny volana – varotra tsakotsako teo antokotany fiangonana. Niezaka nanantona ireo olona avy any ivelany afaka manohana ny komity, fa toa nisy sakana avokoa ireny rehetra ireny. Samy nahatsiaro tena ho tompon’andraikitra amin’ny famitana ny tafo avokoa ny rehetra, hatramin’ny ankizy madinika. Satria tsapa ny faharisihan’ny olona sy ny SSAA hifanampy hamita haingana ny tafo.

Tafo tsiafotsy nanomboka ny Oktobra 2022

Tapaky ny Novambra 2022, niseho nibaribary ny Voninahitr’Andriamanitra, Ar 11 000 000 ny vola voangona, raha enim-bolana izay no fotoana niasana. Rehefa nifandinika ny KF sy ny FF90, dia nanapakevitra fa vitaina amin’ny ampahany araka izay vitan’ny vola eo ampelatanana ny tafo. Rehefa nandeha nijery ny fitaovana ilaina anefa ny tao amin’ny KF, dia nahita fa tsy ny atsasaky ny tafo ihany no azon’ny vola, fa mahazo ny panne rehetra ilaina amin’ny tafo. Novidina avokoa araka izany izay fitaovana azon’ny vola rehetra. Napetaka ny fitaovana azo rehetra. Desambra 2022, niseho indray ny voninahitr’Andriamanitra fa feno ny vola hividianana ny tafo rehetra. Mbola nahavidy ny vy ho an’ny varavarana roa (2) ao amin’ny fanitarana koa anefa ny ambim-bola. Mba hisian’ny fiombonana amin’ny fiaraha-mivavaka ny Krismasy 2022, dia nafindra tety atsinanana ny alitara.

Tsy nanambola ny amin’ny asa famindrana ny alitara anefa na ny fiangonana reniny, na ny KF na ny FF90. Nisy fianakaviana iray nobitsihin’ny Fanahy Masina, ka niantoka manontolo ny vola lany tamin’ny asa famindrana ny alitara ho aty atsinanana indray.

Diakona niasa ny Krismasy 2022 miaraka amin’ny Mpitandrina Fenomanantsoa RAKOTONIRINA

Diakona tamin’ny 1980 tany ho any

2023

Janoary 2023, nifandinika indray ny KF sy ny FF90, ka niaraka nanentana indray ny amin’ny fanaovana ny varavarakely miisa sivy (9), izay eo amin’ny trano fanitarana. Atao tonona isam-pianakaviana, na isan’antokon’olona indray ny hevitra hanentanana ny olona amin’izany. Nahomby ny hevitra, fa maro no nandray anjara. Varavarakely 2 sisa no navoaka tao amin’ny caisse ny fanamboarana azy. 07 May 2023, nifarana ny fankalazana ny faha-90 taonan’ny FJKM Soamiavaka Filadelfia, nofaranana amin’ny sakafom-piombonana ato ampiangonana. Maimaimpoana ny sakafo, fa tonona avy amin’ny mpiara-mivavaka kosa ny ilaina amin’ny sakafo.

Paska 2023



Ankoatra ireo olona maro izay nanao be teto amin’ny fiangonana, dia tsy azo adinoina ireo olona manaraka ireto, izay tena nanao ny aina tsy ho zavatra nanasoa sy nanolotra ny Fiangonana ny heriny, ny fananany, ny fahalalany :

  • RANDRIANASOLO Roland Michel mivady

  • RATELOLAHITSIMBA Paul mivady




Sombiny tamin’ireo nandraisana antsoratra ny tantara (P1)

Ny tantaran’ny nanorenana ny FJKM SOAMIAVAKA FILADELFIA

Attention
Bug Error
Nous faisons tout notre possible pour régler le problème au plus vite. Merci de votre patience
spin gif